Cinco Horas Con Mario

Páginas: 50 (12270 palabras) Publicado: 8 de agosto de 2012
34567
1 OKTOBRA 2012

RAHOVIANA VAO HO FOANA NY

Tsolotra?

34567

Isan’ny indray mivoaka: 42 182 000 AMIN’NY FITENY 195

OCTOBER 1, 2012

NY ZAVA-KENDREN’NY Tilikambo Fiambenana dia ny hanome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitondra Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao. Manazava ny zava-mitranga eran-tany mifanaraka amin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly izy ity,toy ny tilikambo fahiny izay nahafahan’ny olona nitazana ny zava-mitranga eny lavitra. Milaza vaovao tsara mampahery koa izy ity, dia ny hoe madiva hanafoana ny faharatsiana rehetra sy hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’ Andriamanitra, izay tena fitondram-panjakana any an-danitra. Ankoatra izany, ity gazety ity dia mampirisika ny olona hino an’ i Jesosy Kristy, izay nahafoy ny ainy mbahahazoantsika fiainana mandrakizay, sady efa mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1879 Ny Tilikambo Fiambenana, ary tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny politika. Ny Baiboly no tena iorenan’ny zavatra resahiny.
Tsy natao hamidy ity gazety ity. Ny famoahana azy ity dia anisan’ny asa fampianarana Baiboly maneran-tany tohanana amin’ny alalan’ny fanomezanaan-tsitrapo. Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy amin’ilay dikan-teny maoderina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny andinin-teny ato.

MATOAN-DAHATSORATRA 3 Manjaka ny Tsolotra 4 Nahoana no Mbola Misy Foana ny Tsolotra? 5 Azo Atao Ihany ve ny Manao ny Marina? 7 Ho Foana ny Tsolotra!

LAHATSORATRA MAHAZATRA
15 16 18 19 25 26 30 Fantatrao Ve? Ianaro nyTenin’Andriamanitra: Afaka ny ho Velona Mandrakizay ve Ianao? ` Manatona An’Andriamanitra: ‘Nipetraka Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be’ Tahafo ny Finoan’izy Ireo: “Vehivavy Tsara Tokoa” i Rota Manontany ny Mpamaky: Tsy Maintsy Manambady ve ny Olona vao ho Sambatra? Manova Olona ny Baiboly Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora: Aza Manambony Tena!

HO HITANAO ATO KOA
9 12 Nanaiky ny Tenin’Andriamanitra Ilay FianakavianaHindoa Resadresaka Mahaliana: Manasazy Olona any Amin’ny Afobe ve Andriamanitra?

MANJAKA NY

Tsolotra
“Manao asa ho an’ny fanjakana ny orinasanay. Matetika anefa no tsy aloany ny volanay raha tsy afaka roa na telo volana. Nisy mpiasam-panjakana iray niantso ` ahy taty aoriana hoe raha manome kely izahay, dia homeny aloha kokoa ny volanay.”—TANJONA.1

“Manampatra ny fahefany mba hahazoanatombony ny olona mitaky tsolotra. Mijaly izay olona iharan’izany, satria misy vokany amin’ny fiainany sy ny asany izany.”
—MANGARAHARA IRAISAM-PIRENENA

E

FA nisy nanery anao hanao tsolotra ve? Mety tsy hitovy amin’izay nahazo an’i Tanjona ny nahazo anao, nefa azo antoka fa efa nisy olona nangataka tsolotra taminao. Namoaka lisitra misy ny habetsahan’ny fanaovana kolikoly amin’nyraharaham-panjakana ny Mangarahara Iraisampirenena, tamin’ny 2011. Nomena naoty 0 ny firenena faran’ izay mpanao kolikoly ary 10 ny tsy misy manao kolikoly ` mihitsy. Hita ary fa latsaka ny 5 ny naotin’ny ankamaroan’ ireo firenena 183 tao amin’ilay lisitra. Roa taona talohan’izay aza ny Mangarahara Iraisam-pirenena, dia efa nanao tatitra hoe: “Tsy misy faritra tsy ahitana mpanao tsolotra eran-tany.” Tenafaran’izay ratsy indraindray ny vokatry ny fanaovana tsolotra. Nilaza, ohatra, ny gazetiboky Fotoana (anglisy) fa “ny tsolotra sy ny tsy fitandremana” no anisan’ny nahatonga ¨ faty olona be dia be, tamin’ilay horohoron-tany tany Haıti tamin’ny 2010. Nilaza mantsy izy io fa “tsy maka injeniera
1 Novana ny anarana.
NY TILIKAMBO FIAMBENANA ˙ 1 OKTOBRA 2012

3

matetika ny olona rehefa hanao trano, famanome tsolotra an’izay mpiasam-panjakana tonga hanara-maso ny fanorenana fotsiny izy ireo dia afaka manorina.” ` Mety ho foana tanteraka ary ve ny tsolotra? Mba hahalalana izany, dia mila fantarintsika aloha ny antony mahatonga ny olona hanao tsolotra. Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

NAHOANA NO MBOLA MISY FOANA NY

Tsolotra?
“Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka...
Leer documento completo

Regístrate para leer el documento completo.

Estos documentos también te pueden resultar útiles

  • CINCO HORAS CON MARIO
  • Cinco Horas Con Mario
  • Cinco horas con mario
  • Cinco horas con mario
  • cinco horas con mario
  • cinco horas con mario
  • Resumen cinco horas con mario
  • Ensayo cinco horas con mario

Conviértase en miembro formal de Buenas Tareas

INSCRÍBETE - ES GRATIS